Coordination Nationale de la Finance Inclusive

Coordination Nationale de la Finance Inclusive (CNFI)
INCLUSION FINANCIERE
A MADAGASCAR

Foire Régionale Agricole – Région Boeny » : SMMEC y a pris part

“Faritra Boeny, ho sangany miaraka aminao amin’ny famokarana mahomby sy maharitra”

       Tanteraka soa aman-tsara ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Foire Régionale Agricole dans la Région Boeny » tao Andranofasika, izay nokarakarain’ny GIZ Prosol ka teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Governoram-paritra Boeny.

       An-kafaliana no nandraisan’ny SMMEC anjara tamin’ity Foara lehibe ity. Nandray anjara tamin’ny lohabary an-dasy ny SMMEC ny andro voalohany, ka novoizina tamin’izany ny lohahevitra miompana amin’ireo tolotra mifanentana amin’ny velontenan’ireo tantsaha. Hita tokoa fa maro izy ireo no miandrandra mpanohana ara-bola matihanina sy tsy manavaka. Ny alina kosa noravahina tamin’ny fandefasana horonan-tsary fohy miompana amin’ny fanabeazana ara-bola, tahiry, ary ny tolotra SMMEC.

      

       Marihina moa fa ny tanjona ankapoben’ity hetsika ity ny fampandrosoana ireo mpisehatra eo amin’ny famokarana ambanivohitra manodidina ny Distrika rehetra. Izany dia atao amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny asa ataon’izy ireo sy ny famokaran’ireo nahazo tombontsoa tamin’izany.

       Taorian’ny lanonana fanokafana no nitsidihin’ireo manam-pahefana ny tranoheva, ka anisan’izany ny an’ny SMMEC, izay notarihin’ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Governoram-paritra Boeny, Lehiben’ny Distrika Ambato Boeny, ny Ben’ny tanànan’Andranofasika, ny Ofisy Rejionalin’ny Fampanjarian-tsakafo, ireo Sefom-pokontany sy ny Departemanta isan-tsokajiny hafa.

__________________________________________________________________________________________________________________________________

« La Région Boeny et vous ! Par l’agriculture efficace et prospère, brillons ensemble! »

       Voilà le thème de la Foire Agricole Régionale dans la Région Boeny qui s’est tenue à Andranofasika, et organisée par GIZ PROSOL, sous les parrainages du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage ainsi que du Gouvernorat de la Région Boeny.

      

       SMMEC a participé à cette grande foire. La matinée de la première journée a été marquée par une table ronde sur le thème de « l’Accès au Financement ». Les produits financiers, tels que les  prêts paysans, Grenier Communautaire Villageois et le produit social ou la Mutuelle de santé ont été exposés. La participation active de l’assistance, composée la plupart de paysans, a démontré leur besoin d’appui et de soutien financiers.

       Rappelons que l’objectif général de cette foire était le développement sectoriel des activités, du milieu rural, des différents acteurs au niveau des Districts, en valorisant les activités menées par les bénéficiaires et leurs productions.

     Après la cérémonie d’ouverture officielle, les autorités composées du Directeur du Cabinet du Gouvernorat Boeny, du Chef de District, du Maire d’Andranofasika, des Représentants de l’Office Régional de la Nutrition, ainsi que Les Chef Fokontany ont procédé à la visite des stands.

 

 

 

 

Rédaction et traduction :

RAFAHAVELO Marina – Chargée de Communication